Christine Razanamahasoa

Notendrena amina andraikitra


  • Alarobia 13 Mey 2026

ambony ao amin’ny OIF

Voatendry ho Sherpa nasionaly (izany hoe solontena manokana miandraikitra ny fanomanana sy fandrindrana ny toerana sy ny politika ara-diplomatika alohan’ny fivoriana ambony) ao amin’ny OIF (Organisation internationale de la Francophonie) ny Minisitry ny raharaham-bahiny teo aloha Christine Razanamahasoa, ny didy Filohan’ny fanavaoazana ny Repoblika ny 27 aprily. Anisan’ny asa ao anatin’io ny mandray ny fepetra rehetra ilaina hanamafisana sy hanam-panjakana ny fanendrena eo anivon’ny rafitra ofisialin’ny OIF. Araka ny fanazavana, ny andraikitry ny sherpa dia ny miomana sy mandrindra ny fihetsika sy ny politika hoentin’ny firenena amin’ny fivoriana iraisam-pirenena, indrindra amin’ny sehatra ambony. Midika izany fa i Madagasikara dia manamafy ny fisiany sy ny feony eo amin’ny sehatra frankofona, izay manome sehatra ho an’ny fifanakalozana ara-kolontsaina, ara-politika ary ara-toekarena. Ity dingana ity dia maneho ny anjara toerana lehibe ananan’i Madagasikara ao anatin’ny OIF satria iara-mahalala fa diplaomaty Malagasy ihany koa ny Sekretera Jeneraly, izay heverina fa hanamafy ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa amin’ny firenena mpikambana ao amin’ny OIF. Taorian’ny naha minisitry ny raharaham-bahiny voalohany azy tao anatin’ny governemanta fanavaozana, dia mitana andraikitra lehibe any amin’ny OIF indray izany Rtoa Christine Razanamahasoa, izay isan’ny tena nanao ny adidisisika diplaomatika maro taorian’ny fiovam-pitondrana teto.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT