CHE BEL CANTO ETSY MAHAMASINA

Amin'ny Alahady izao no fotoana


  • Alatsinainy 09 Febroary 2026

Andro sisa no isaina dia higadona ny

datin'ny 15 Febroary hanatanterahana Ilay fampisehoana goavambe Che Bel Canto hiarahana amin'i Tovo J'hay etsy amin'ny lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina. Amin'ny ankapobeny dia tena mahasarika olona maro ity fampisehoana ity. Manao ranolava mantsy ny fividianana tapakila raha araka ny vaovao azo tamin'ny mpikarakara, indrindra fa tamin'ny faran'ny herinandro teo. Mpifankatia ny ankamaroan'ireo hanatrika izany ankoatra ireo mpinamana sy mpivady. Hanomboka amin'ny 03 ora folakandro ny fotoana. Mpanakanto vehivavy maro no ho avy hanafana ny lanonana raha tsiahivina ahitana an'i Nanie, Tosy, Ayam, Malala ao amin'ny tarika Zay ary Johane. Hisy moa ny hira miara-droa na telo hotontosain'izy ireo hanomezana fahafaham-po ny mpankafy. Ny Phenix Agency no mikarakara ny hetsika izay efa revo tanteraka ankehitriny raha toraka izay ihany koa izy 6 mianadahy hanao ny fampisehoana. Hitohy amin'ity herinandro ity ny famerenana faramparany hataon'izy ireo.
Pati
Légende : Tovo J'hay sy ireo mpanankato hiaraka aminy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT