Actualités

CEPE nanodidina an’Antananarivo Nilamina afa-tsy ny teny Vontovorona


  • Alarobia 16 Jolay 2014

Nilamina tamin’ny ankapobeny ny niatrehan’ireo mpiadina ny fanadinana CEPE teto amin’ny faritra manodidina an’Antananarivo, toy ny teny amin’ny distrikan’Ambohidratrimo. Nahitana kilonga 538 avy amin’ny Epp 14 eny an-toerana izay novatsian’ny Tim Zanak’i Dada fitaovana toy ny fitsipika gaoma

penina ary akanjo mafana tsirairay avy nialoha ity fanadinana ity. Nisy kosa anefa ny olana kely madinidinika mpitranga tahaka ny fanadinoana karatra maha mpianatra sy taratasy fiantsoana ary ny tsy fahatongavan’ny mpiadina maromaro ihany noho ny tsy fahazoana fiantsoana sy antony ara-pahasalamana na koa noho ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny fotsiny tsotra izao fa lavitra ny foibe fanadinana ny toerana onenana. An-kilometatra misimisy ihany, ohatra, no misy an’Ambohipeno – Ambohibato ao amin’ny kaominin’Ambohimanambola. Tsy nilamina kosa ny sain’ny mpianatra mpanala fanadinana teny amin’ny CEG Vontovorona noho ny fisian’ny fihetsiketsehana narahin-tabataba nataon’ny mpianatry ny CUR sy ny doboka lakrimozena nalefan’ny mpitandro filaminana hampitoniana azy ireo. Nitebiteby fatratra ireo ray aman-dreny andeha hanati-bary ny antoandro ary voatery nanalavi-dalana noho ny sakan-dalana nataon’ireto mpianatry ny CUR Vontovorona ireto. Raha ny fantatra dia andrasana amin’ny faran’ity herinandro ity avokoa ny valim-panadinana ho an’ireo Foibem-panadinana manodidina an’Iarivo (Avaradrano, Atsimondrano, Ambohidratrimo).

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT