Actualités

CEPE 2014 Vokatra toy inona no hivoaka eo ?


  • Alatsinainy 14 Jolay 2014

Rahampitso talata 15 jolay 2014 no hanatanterahana ny fanadinam-panjakana ofisialy voalohany eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara na ny CEPE. 1% latsaka kely ny

fitombon’ny isan’ireo mpiadina ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra tamin’ity taom-pianarana vaovao ity. Nitombo 398 ireo kandidà mihoatra ny tamin’ny taom-pianarana lasa izay miisa 26.750 ankehitriny. Ny 88% amin’izy ireo na 23.668 dia sokajy B avokoa ka sady haka ny mari-pahaizana CEPE no hifaninana hiditra kilasy faha-6. Tsara ny naoty azon’ireo ankizy amin’ny ankapobeny tamin’ny fanadinana andrana natrehin’ireo mpianatra ao amin’ny kilasy faha-7, hoy ireo tompon’andraikitra mpitantana sekoly fanabeazana fototra. Hanaraka izay ve anefa ny voka-panadinana amin’ity taom-pianarana 2013-2014 ity. Nidina ho 88, 87% mantsy ny taham-pahafahana tamin’ny taon-dasa raha 90,07% izany ny taom-pianarana 2011-2012. Miisa 260.000 ireo mpiadina hiatrika ny fanadinana CEPE manerana ny Nosy amin’ity taona 2014 ity ka 30 taona no kandida zokiny indrindra ary 6 taona kosa no zandriny indrindra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT