Ny talata 15 jolay 2014 izao no hanatanterahana ny fanadinam-panjakana ofisialy voalohany eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara na ny CEPE. Efa naparitaka tamin’ity herinandro ity ny taratasim-piantsoana ireo mpiadina,
hoy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Nanodidina ny 1% latsaka kely ny fitombon’ny isan’ireo mpiadina tamin’ity taom-pianarana vaovao ity. Niampy 398 ireo kandidà mihoatra ny tamin’ny taom-pianarana lasa izay miisa 26.750 ankehitriny. Ny 88% amin’izy ireo na ny 23.668 dia sokajy B avokoa ka sady haka ny mari-pahaizana CEPE no hifaninana hiditra kilasy faha-6. 30 taona no kandida zokiny indrindra ary 6 taona kosa no zandriny indrindra amin’ity fanadinana CEPE taom-pianarana 2013-2014 ity. Tsara ny naoty azon’ireo ankizy amin’ny ankapobeny tamin’ny fanadinana andrana natrehin’ireo mpianatra ao amin’ny kilasy faha-7 ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra, hoy ireo tompon’andraikitra mpitantana sekoly fanabeazana fototra. Hanaraka izay ve anefa ny voka-panadinana amin’ity taom-pianarana 2013-2014 ity ? Nidina ho 88,87% mantsy ny taham-pahafahana tamin’ny taon-dasa raha 90,07% izany ny taom-pianarana 2011-2012.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.