Actualités

CEPE 2014 MAHAJANGA Nahitana zaza sembana ara-pihainona nandray anjara tamin’ny fanadinana


  • Alarobia 16 Jolay 2014

Sambany tao Mahajanga no nisy zaza sembana nandray anjara tamin’ny fanadinam-panjakana CEPE. Zaza avy amin’ny akany SEMAMA ao amin’ny fokontany Antanimalandy izy ireo izay miisa fito mianadahy

Efa nisy ny fitsapana ireo zaza sembana ara-pihainona ireo mialoha ny fanadinana.  Efatra ambin’ny folo taona no zandriny indrindra ary 20 taona kosa no zokiny. Raha ny fantatra dia efa natao tamin’ny teny gasy avokoa ny laza adina nomena azy ireo ankoatra ny taranja frantsay. Miisa 5.139 ireo mpanala fanadinana tao anatin’ny faritra Mahajanga I. Tao amin’ ny ivontoerana fanadinana Fiofio no nanaovan’ireo zaza ireo ny fanadinana ary nanampy azy ireo tamin’ny fanazavana ny laza adina ny mpampianatra azy ireo. Tsy azo atao ny manilika ny zaza sembana na ara-batana na ara-tsaina. Manana zo hianatra sy hiasa izy ireny ka tsy tokony hatao vesatra ho an’ny fiarahamonina. Anisan’ny zava-dehibe ho an’ny mpampianatra sy ny ray aman-drenin’ireo zaza sembana ireo ny hiandry ny valim-panadinana azy fito mianadahy ireto.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT