Raha zazavavy kely hatrany teo aloha no tonga mitaraina sy manatona ny Centre Vonjy etsy Befelatanana, ivontoerana iray mandray an-tanana ireo olona lasibatry ny fanolanana dia fantatra fa efa misy ihany koa ny zazalahy kely amin’izao
. Manomboka eo amin’ny dimy ka hatramin’ny 15 taona izy ireo. Raha araka ny fanazavan’i profesora Rakotovao Hery Andrianampanalinarivo, tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny hopitaly Befelatanana dia hita ho mihabetsaka izy ireo tato ho ato, antony iray nampiavaka ny antontan’isa efa nananana hatramin’izay. Ho an’ireo zazalahy kely manokana dia nambarany fa ireo dimy sy enina ireo no tonga manatona ny Centre Vonjy, tsy fantatra kosa ireo manatona ny CHU Ravoahangy Joseph Andrianavalona izay misy sampandraharaha iray mandray an-tanana azy ireny ihany koa. Na izany aza anefa dia nambaran’ity profesora ity fa mahazo fahafaham-po avokoa izay rehetra tonga manatona ny centre satria sady manafaka ny tahony no manala fahasahiranana azy amin’ny fivezivezena ihany koa. Tsiahivina moa fa miara-miasa akaiky amin’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona ny centre amin’ny fanatanterahana ny asany izay mijanona ao an-toerana mihitsy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.