Actualités

Centre Thermal Antsirabe Mikatona noho ny fikojana fanao isan-taona


  • Alakamisy 19 Jona 2014

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fikojakojana fanao isan-taona indray ny toeram-pitsaboana amin’ny alalan’ny rano mafana ao amin’ny “Centre Thermal Andranomafana” Antsirabe izay tokana eto Madagasikara.

Noho ny fanadiovana ireo fantsona maro samihafa izay tsy maintsy atao noho ny fisian’ireo karazana sira miraikitra any anatiny any no antony raha ny nambaran’ny Dokotera tompon’andraikitra, Rakotoarimanana Aimée. Anton’ny fampahafantarana moa ny fisian’ireo olona marobe avy amin’ny lafivalon’ny Nosy mbola tonga ao Antsirabe ihany mitady fitsaboana ka lasa miverim-potsiny noho ny tsy fahafahan’ny mpitsabo mandray azy. Nambaran’i Dr Rakotoarimanana fa ny 01 jolay 2014 dia efa hanomboka indray ny fandraisan’olona ao amin’ity toerana ity. Marihina fa karazana aretina maro no tsaboina ao Antsirabe ao amin’ity toerana ity, toy ny fahatapahan’ny lalandra, ny aretin’ny vanin-taolana sy ny maro hafa tsy voatanisa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT