Taorian’ny ramadany dia nanohy ny asa soa fanaony ny Centre Rassoul Akram, ny Inisma sy ny radio RVS. Nifantoka tany am-ponja sy toerana fanabeazana samihafa ny asa soa notanterahan’ny mpikarakara teo aloha
Miverina eny amin’ny fokontany ankehitriny izy ka ny fokontanin’i Soavinandriana no notsidihana tamin’ny sabotsy teo. Vary sy laoka (500 lovia) no nozaraina teny an-toerana. Finaritra ny ankizy sy ny tanora misy nahatsiaro ka nilahatra na dia somary misavoritaka ihany aza satria matahotra tsy hahazo ny anjarany. Ny fanontanina mipetraka dia ny hoe mahatsiaro sahirana ve ny tanora sy ny ankizy ka izy ireo mihitsy no milahatra vary sy laoka ? Menatra milahatra sa mba miasa ny ray aman-dreniny ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.