Mankalaza ny faha-28 taona nijoroany ny Ny Association Akamasoa izay natsangan'i Père Pedro.
Vondrona izay niady, miady ary mbola hiady amin'ny fahantrana. Dingana lehibe no efa vita tao anatin'izay taona maro izay. Ankehitriny dia miisa 25 000 ny olona eo ambany fiahian'i Père Pedro. Ny 14 000 dia mpianatra avokoa ary efa nivadika ho Centre Manantenasoa ny anarany. Tonga teny an-toerana ny filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina sy ny Ramatoa vadiny sy ireo mpiara-miasa amin'izy ireo omaly. Tonga nanatrika ny fotoana koa Ramatoa Onitiana Realy, minisitry ny mponina. Nanolotra fanomezana ho an’ny Akamasoa ny filoha mivady dia vary 10 taonina, bodofotsy 375, vaomaina 1500 kg, menaka 500 litatra ary vola mitentina 20 000 000 Ariary. Nanampy ihany koa anefa ny Filoha Rajaonarimampianina fa ao anatin’ny fotoana fohy dia ho avy ny fitaovam-pitsaboana ho an'ny Akamasoa, hojerena ihany koa ny famatsiana ny siniben-drano (fitehirizan-drano lehibe) eo amin'ny vohitra misy ny Manantenasoa. Vahaolana ho an'ny vahoaka ny amin'ny tsy fisian'ny rano fisotro madio, hohamafisina ny fandriampahalemana eny amin'ny toerana misy ireo vahoaka maro.Nankasitraka sy nisaotra ny filoham-pirenena mivady noho ny fanampian'izy ireo hatrany ny vahoakan'ny Akamasoa i Père Pedro. Ny Filoha Hery Rajaonarimampianina kosa nandritra ny lahateniny dia nanamafy fa mitohy hatrany ny ady amin'ny fahantrana ary nankasitraka ny ezaka goavana vitan'i Père Pedro nandritra ny 28 taona izy. Nanentana hatrany ny filoha ny amin'ny fandraisana andraikitry ny tsirairay ny amin'ny ady amin'ny fahantrana.
RTT
.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.