Actualités

CENTRE D’ECOUTE IRAY FO Nisokatra ofisialy hihaino sy hanampy ny vehivavy


  • Alakamisy 06 Martsa 2025

Nisokatra ofisialy omaly 05 martsa 2025 ny Centre d’écoute na « Ivon-toeram-pihainoana Iray Fo »,

sehatra iray entin’ny Jejoo sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy mivelatra hatrany amin’ny fanomezana sehatra ho an’ny vehivavy, ka hisokatra maimaimpoana ho an'ireo vehivavy Malagasy mila toro-hevitra amin'ny lafiny maro, hahafahana mandray ny fitarainan'ny vehivavy, hanohana sy ho mpanome torohevitra ho an'ny vehivavy amin’ny fiainana adanavanandro, fahasalamana, fanabeazana, fampahaleovana tena ny vehivavy, zo fototra sy zo mahaolona,… « Niainga tamin’ny Gazety Jejoo ny taona 2007 izay nifototra tamin’ny fampiroboroana ny vehivavy, nivelatra tamin’ny plateforme (tranonkala, réseau sociaux), club Jejoo, fiaraha-miasa amin'ny TOP RADIO amin'ny alalan'ny fandaharana an’onjam-peo,… Hivelatra sy hanamafy ny fampivelarana ny vehivavy, zon'ny vehivavy, hametrahana hatrany ny fanaikezana ny vehivavy », hoy ny Tonian-dahatsoratry ny Jejoo Rtoa Andonandrianina Randrianarimanana omaly. Notsipihiny fa ny Jejoo teo foana ho an'ny vehivavy izay manana zo henoina sy ho afaka hiteny, ka sehatra lehibe amin’izany ny Ivon-toeram-pihainoana Iray Fo. Hisy matihanina samihafa afaka handray ireo vehivavy toy ireo matihanina amin’ny fahasalamana, hisy fifampizarana samihafa hampivelarana ny vehivavy,… « Tsy ity no toeram-pihainoana voalohany eto Madagasikara. Ny mampiavaka azy dia tsy mijanona fotsiny amin'ny fihainona ny vehivavy iharan'ny herisetra fa hivelatra manontolo amin'ny maha olona. », hoy kosa i Pasitera Trimozafy Dyna isan’ireo matihanina ao anatin’ny Ivon-toeram-pihainoana Iray Fo. Betsaka ohatra no iharan'ny herisetra noho ny bika aman'endrika, betsaka ohatra no matahotra na hanantona toeram-pitsaboana aza, kanefa maro mety tratry ny aretina toy ny homamiada'ny nono, vozon'ny tranon-jaza,... Maro ny vehivavy, antoka hahafaha-mampandroso ny Firenena, Ho hita ny fanabeazana ny vehivavy, manoloana ny ditram-bady, olana,... Hihainoana ireo vehivavy iharan'ny herisetra ara-tsaina, ara-batana,... Mitondra ratra sy aretina ireny rehefa tsy havoaka. Ao anatin'ny fanajana ny tsiambaratelo, raha ny fanamarihana. Hisokatra ho an'ny rehetra, isan'andro manomboka amin'ny 9 ora maraina hatramin'ny 6 ora hariva ny "Centre d'écoute" IRAY FO.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT