Actualités

CEG Ambohidratrimo Tsy namidin’ny kaominina izany, hoy ny Ben’ny tanàna


  • Zoma 24 Martsa 2023

Nivoaka tamin’ny gazety an-tsoratra iray teto an-drenivohitra andro vitsy lasa izay fa namidin’ny Ben’ny tanànan’Ambohidratrimo ny ampahan’ny tanin’ny CEG ao an-toerana.

Niantso mpanao gazety ary namaly izany ity olomboafidy ity omaly ka nambarany fa nanamboarana ny ilany atsimon’ny CEG izay tsy misy fefy no nataon’ny kaominina. Mbola hiampy efitrano fianarana fanampiny vaovao izany raha araka ny fanazavany hanoloana ilay efa antitra ankehitriny. Tsy misy hamidy ny CEG hoy izy na biriky iray aza. Notsindriany ihany koa fa mahatratra 5000 ny mponina ao Ambohidratrimo ankehitriny. Mihoatra ny 1000 isa noho izany ireo mpianatra avy amin’ireo tokantrano ireo manovo fahalalana hoy hatrany ity Ben’ny tanàna ity koa raha azo hatao dia hampitomboana ny sekoly fa tsy sanatria hahena araka ny tsaho haelin’ny sasany. Nanambara moa Talen’ny CEG ao an-toerana Atoa Rija Nalinjatovo fa tsy tafiditra ao anatin’ny tanin’ny sekoly ny fananganana toeram-pivarotana kasain’ny kaominina hatao noho izany tsy marina velively io vaovao niely io.

Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT