Nihaona tamin’ny mpianatra 25 misitraka ny vatsim-pianarana hianarana teny anglisy English ACCESS tao amin’ny Lycée Jacques Rabemananjara Toamasina ny CDR Dave Appezzato izay Mpanolontsaina misahana ny Fiarovana sy Fifandraisana ara-miaramila eo amin’ny Masoivoho Amerikana ny talata 10 novambra teo.
Niresaka momba ny fisafidianana asa, ny fiainanana eo anivon’ny tafika Amerikanna, ary ny fianarana teny Anglisy izy nandritra io fihaonana io. Ny mpianatra kosa tetsy andaniny dia afaka niresaka taminy sy nampitombo ny fahasahian’izy ireo mampiasa ny teny Anglisy. Mirary fahombiazana feno ho azy ireo amin’ny fanarahana ny English ACCESS Program izay maharitra roa taona.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.