Actualités

CDA Andohatapenaka Fitsaboana maimaimpoana mandritra ny herinandro


  • Alarobia 23 Jolay 2014

Anisan’ny poizina ho an’ny taova any anaty ny fahasimban’ny nify sy ny tsy fikojakojana azy, indrindra fa ny ativava. Mba hisorohana ireo aretina maro samihafa aterak’izany dia notanterahina tetsy amin’ny CDA Andohatapenaka omaly ny fanokafana ny herinandro ho an’ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava, notarihin’i Ny Hasina Andriamanjato, filohan’ny delegasiona manokan’Antananarivo Renivohitra

Nisy ny hetsika ara-pahasalamana maro samihafa notanterahina nandritra izany izay marihina fa maimaimpoana avokoa. Anisan’ireny  ny fanalana nify, ny fitiliana ny aretina diabeta, ny fitiliana sy fitsaboana ny aretin-tsofina, ny maso, ny fizahana sokajin-dra sy fanomezan-dra, ny fanentanana sy fitiliana ny Vih Sida, ny  Sifilisy,  ny Hepatita b-c , ny fijerena ny tosidra, ny fitiliana ny aretina tazomoka, indrindra ny fandraisana an-tanana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza. Tanjona amin’izao hetsika izao moa ny mba hananan’ny rehetra vatana salama lavitry ny aretina, raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Eo ihany koa ny fanampiana azy ireo amin’ny alalan’ny torohevitra mba hahalalany ny tokony hataony. Haharitra herinandro ny hetsika izay hifandrombonan’ny mpitsabo maro samihafa. Notsindrian’ny PDS manokana moa fa anisan’ny tokony homen-danja ny fitsaboana maimaimpoana tahaka izao hahafahana manohana ny mponina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT