Niverina nahazo laka indray tato ho ato fanafihana mitam-basy ao Toliara. Ny zoma tolakandro teo, tokony ho tamin’ny 4 ora, jiolahy efatra tsy nisaron-tava nitondra basy nanafika « cash point Airtel »
iray tao amin’ny fokontany Betania Ankilifaly. Lasa tamin’izany ny lelavola 4 tapitrisa ariary niampy finday avo lenta efatra. Rehefa nivoaka ny toeram-pivarotana notafihany ireo jiolahy dia nanampoaka basy nampihorohoroana ny teo amin’ny manodidina alohan’ny nandosiran’izy ireo.
Mpivaro-kena sendra nandalo voatifitra
Tovolahy mpivaro-kena sendra nandalo voatifitra teo amin’ny tanany, ramatoa iray torana, hoy ireo nanatri-maso. Raha ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana dia mbola karohina ireo jiolahy hatramin’izao. Lasibatra tato ho ato ireo toerana fandefasana sy fakana vola miara-miasa amin’ny Airtel ao Toliara. Dimy no efa voaroba, lasa ny volabe sy entana lafo vidy, ary tsy maintsy misy ra latsaka foana isaky ny manafika ireo jiolahy.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.