Actualités

Campus Barikadimy Niala ireo mpianatra, goavana ny asa fanarenana


  • Talata 16 Septambra 2014

Taorian’ny fivoahan’ilay didy nitsipaka ny fangatahan’ireo mpianatra mikasika ny fampiatoana ny fanalana azy ireo, teo anivon’ny fitsarana momba ny ady amin’ny fanjakana Toamasina dia niroso tamin’ny asa fanalana ireo mpianatra tsy mety miala eo anivon’ny Campus Barikadimy ny oniversiten’i Toamasina sy ireo mpitandro ny filaminana mitambatra. Tsy nisy ny « sakoroka » sy ny olana fa nilamina ny fanalana ireo mpianatra « tara » fialana natao.

Omaly dia nidina nijery ifotony ny zava-misy eo anivon’ny Campus ny filohan’ny oniversite Atoa Velo Jerome sy ireo mpiara-miasa taminy, izay nahita fa tena tao anatin’ny faharatsiana ny trano niainan’ireo mpianatra, manginy fotsiny koa ireo fanorenana gaboraraka ivelan’ny trano fananan’ny oniversite naorin’ireo mpianatra sasany. « Miroso ary tsy maintsy hidirana ny fanatsarana sy fanadiovana ary fanavaozana ny Campus eto Barikadimy. Izao hitantsika izao ny zava-misy ka itadiavanay fanampiana amin’ireo afaka hanampy rehetra, satria efa misy vola entina hanaovana ny asa aminay izao saingy betsaka ny asa miandry, ka miangavy fanampiana amin’ny fanjakana sy ireo mpandraharaha mpiara-miombona antoka rehetra », izay no nambaran’Atoa Velo Jerome. Niaiky koa ity filohan’ny oniversite ao Toamasina ity fa nobodoin’ny efa tsy mpianatra sy ireo mpibizina ary ireo manararaotra ny tranon’ny oniversite fotsiny ny trano tokony ho an’ny mpianatra marina, ka lasa nampidangana ny fandaniana teo amin’ny rano amoaham-bola 10 hatramin’ny 12 tapitrisa ariary sy ny jiro andaniana 8 hatramin’ny 10 tapitrisa ariary isam-bolana izany. Raha ny zava-misy anefa dia ny 40% an’io fandaniana io dia lany ao anatin’ny gaboraraka noho fampiasana tsy ara-drariny ny jiro sy ny ranon’ny oniversite ivelan’ireo tena mpianatra. An-kilan’izay dia mamoaka vola 3 hatramin’ny 5 tapitrisa ariary isam-bolana izy ireo amin’ny fanamboarana taribian-jiro noho ny fahamaizana lava vokatry ny fampiasana mihoatra loatra ny herinaratra nefa efa nakarina 450A ny tanjany. Araka ny vaovao dia 40 taona nisiana ny oniversiten’i Toamasina, izay vao misy ny fanamboarana faobe hatao entina hanatsarana ireo tranom-pianarana sy efitranon’ny mpianatra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT