Actualités

“C.R.I.N.F.P” TOAMASINA NIVOAKA OMALY NY ANDIA “SAHY” SY “SEDRA”…


  • Sabotsy 26 Jolay 2014

Omaly tao amin’ny foiben’ny “Centre Regional de l’Institut Nationale de la Formation Pedagogique” (CRINFP) Toamasina, ireo andia “Sedra” sy “Sahy” izay niofana nandritra ny 12 volana

Miisa 167 mianadahy ireo andia “Sahy” izay tafiditra amin’ny andiany faha-07 nivoaka teo anivon’ity ivontoerana mpanofana mpampianatra ambaratonga voalohany ao Toamasina ity, sy miisa 36 ny andia “Sedra” izay andiany faha-03 kosa ho an’ny mpanolon-tsaina ara-pedagojika navoakan’ny ivo-toerana ihany koa. « Tsara ny famoahana mpampianatra nahavita fihofanana tahaka izao, satria politikam-panjakana raha teo ny hampiditra ireo zaza tsy niditra an-tsekoly sy ireo niala an-daharana », hoy ireo mpandray fitenenana avy eo anivon’ny tontolon’ny fampianarana sy fanofanana mpampianatra ny ankamaroany. Natsidika ireo mpanambe vao nahavita fiofanana ireto kosa anefa fa tokony hohafainganina ny famoahana ny maha mpiasam-panjakana izy ireo. Maro mantsy, araka ny nambara, ireo ny naman’izy ireo teo aloha no tsy mbola nahazo io fandraisana mpiasam-panjakana sy didy mametraka azy ireo amin’ny toeram-pianarana tokony ho raisin’izy ireo. Tsy tafiditra amin’izany kosa ny mpanolotsaina ara-pedagojika, izay nangataka kosa ny fanampiana ara-pitaovana sy ara-pitaterana noho ireo sekoly maro an’isa tsy an-drenivohitra fa amin’ny tontolo ambanivohitra. Reny mpihay ireto andiany roa navoaka ireto, ny minisitry ny rano sy ny minisitry ny vakoka sy kolontsaina.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT