Toeram-pisotroana iray etsy by-pass no mbola hitan'ny Polisy nivarotra omaly hariva, ka voatery nandraisana fepetra izany.
Nakatona teo noho eo ilay fivarotana ary noentina eny amin'ny biraon'ny polisy avy hatrany ireo olona miisa 10 (01 tompon'ny fivarotana, 09 mpanjifa tao aminy) . Hentitra ny Polisim-pirenena amin'ny fampanajana ny hamehana ara-pahasalamana ho fiarovana ny vahoaka amin'ny fihanaky ny valan'aretina covid-19. Tsy sasatra izahay ato amin'ny Polisim-pirenena manentana antsika vahoaka fa miainga amin'ny fahatsapan-tena sy ny fandraisana andraikitry ny tsirairay no vahaolana handresena ilay valan'aretina covid-19, hoy ny fanentanana avy amin’izy ireo.Ity no tena tonga amin’ilay hoe : mamo miantso polisy.Aleo hajaina ny fepetra mba tsy hanahirana e !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.