Business day

andiany voalohany


  • Zoma 24 Aprily 2026

Hampahantarana ny zava-misy any / Menabe, hanomezana asa ny tanora

Ho entina mankany any amin'ny faritr'i Menabe ny mponin'Antananarivo. Arahina fanomezana asa ireo tanora mbola tsy an'asa izany. Tanterahina manomboka anio Zoma 24 Aprily haharitra 2 andro etsy amin'ny zaridainan'Antaninarenina Ilay hetsika "Business Day" andiany voalohany karakarain'ny Vondrona Kimony. Fampahafantarana ireo karazana trano fandraisam-bahiny, ny tolotra misy any an-toerana, ny vokatry ny tany sy ny asa tanana ....amina trano eva manodidina ny 22 isa no hatao amin'izany raha araka ny fanazavan-dRandriantsotsy Sylvia mpitantana eo anivon'ny trano fandraisam-bahiny Belo Beach eo Belo Tsiribihiana. Tanjona ny hitondrana ny hakanton'ny Faritra Menabe eto Antananarivo hisarihana mpizahantany hihazo iny Faritra iny. Maimaim-poana ny fidirana hoy ny fanazavana azo ka izay vola rehetra azo avy amin'ny varotra fampirantiana dia entina hanampiana ireo olona mañana fahasembanana sahanin'ny Vondrona Kimony sy ireo mpiara-miasa aminy. Arahina fandraisana CV na antontan-taratasy ho an'ireo tanora mbola tsy an'asa izany ka hahazo asa avy hatrany izay mahafeno ny fepetra. Notsiahi-vin-dRandriantsotsy Sylvia moa fa tena am-piandohana dia fihaoanana mivantana teo amin'ireo Tour opérateur, agence de voyage ary ny Vondrona Kimony ny Business Day. Fampahafantarana ireo karazana tolotra vaovao sy fandraisana ireo karazana fitarainana avy amin'ireo mpizaika momba ny olana mandalo eny anivon'ny hotely no natao tamin'izany. Ankehitriny, misokatra ho an'ny rehetra izany izay ezahina hotohizana hatrany.
Pati

Légende : Randriantsotsy Sylvia, mpitantana ny trano fandraisam-bahiny Belo Beach any Belo Tsiribihiana sy ireo tompon'andraikitra hafa !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

  • Njaka Andriantsoa
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Tsy misy vahaolana

Hijery ny tohiny
FTT