BRICKAVILLE

Renim-pianakaviana iray maty nianjeran'ny hazo


  • Alakamisy 12 Febroary 2026

Distrika iray anisan'ny tena nitondra

faisana vokatry ny fandalovan'ilay rivo-doza Gezani tany amin'ny Faritra Atsinanana ny distrikan'i Brickaville. Renim-pianakaviana iray no fantatra fa namoy ny ainy nianjeran'ny hazo ny datin'ny 10 Febroary teo rehefa avy niantsena. Ankoatra io dia olona manodidina ny 568 ihany koa no lasibatra vokatry ny fiakaran'ny rano ka ny 200 mahery amin'ireo no voatery nafindra toerana mihitsy. Kaominina miisa 5 ao Brickaville no fantatra fa misedra olana goavana sy mila fanampiana maika. Na ny sakafo hohanina aza mantsy hifampitadiavana hoy ny vaovao azo, ireo trano nilaozana koa tsy maintsy ambenana sy jerijerena noho ny hamaroan'ireo mpanararaotra. Tsiahivina moa fa biraom-panjakana miisa valo ihany koa no nirodana ao Brickaville. Ho an'ireo sekolim-panjakana dia saika dibo-drano avokoa ny ankamaroany, antony mbola tsy hahafahan'ny mpianatra mianatra aloha mandrapisian'ny fandaminana vaovao.
Pati
Légende : Nandravarava teto Brickaville mihitsy ilay rivo-doza Gezani !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT