BRICKAVILLE

Misy biby tsy fantatra mihinana biby fiompy indray ?


  • Alakamisy 06 Jona 2024

Mitebiteby andro aman’alina indray ireo mponina any amin’ny distrikan’i Brickaville amin’izao.

Raha ny vaovao miely mantsy dia toa niverina indray ilay biby tsy fantatra nihinana biby fiompy sy nandrangotra olona tany an-toerana ka nahatorana ity farany.Ny harivan'ny 04 Jona lasa teo dia omby lahy mbola vatony no maty nohanin’ny biby tsy fantatra tao antampon'i Mahefa Fokontany Maromby,Kaominina ambanivohitr’i Mahatsara, raha ny fitarainana voarain’ny mpitandro ny filaminana.Tsy hita intsony ny lelan’io omby io sy ny fitaovam-pananahiny ary hita miparitaka teo akaiky ny rany. Mitovy tamin'ny tranga izay efa niseho volana vitsivitsy lasa tao anatin'ny faritra Distrikan’i Brickaville ity tranga ity hoy ny mponina ka efa mandeha ny fanentanana rehetra amin’izao mba hanara-maso ny biby fiompiny sy hanome vaovao ara-potoana ny tompon'andraikitra sy ny mpitandro ny filaminana raha sanatria misy trangan-javatra hafahafa.
Pati
Legende : Tahaka izao ny nanjo ilay omby lahikely mbola vatony !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT