Brickaville

Misy biby hafahafa mihinana ny omby amin’ny alina…


  • Talata 09 Janoary 2024

Isehoana tranga hafahafa any Brickaville ao anatin’ny faritra Atsinanana

amin’izao fotoana izao noho ny fisiana biby tsy fantatra voalaza fa manaikitra omby. Voalaza fa omby efa manodidina ny 40 hatramin’izao no lasibatra. Eo amin’ny faritry ny tarehy sy sofiny na kibon’ny omby no ahitana ratra ka zanak’omby efa-bolana hatramin’ny herin-taona sy tapany no tena lasibatra, raha ny fanazavana. Maty avokoa ny ankamaroan’ireo omby. Raha ny fanazavana hatrany, dia amin'ny alina no mivoaka ilay biby, ary mbola tsy misy nahita ny endriny ny fokonolona hatramin'izao. Omby 26 no efa lasibatra tao amin’ny fokontany Ambohimanarivo ny 26; tao Ambodiampaly ny 12 ary ao Ambodiara ny 1, izay samy ao amin’ny kaominina ambonivohitr’i Brickaville. Tsy vao tao anatin’ny andro vitsy ity tranga ity, fa efa nanomboka tany amin’ny volana oktobra 2022 no nahitana, raha ny filazan’ny mponina. Somari nangingina, saingy niverina nirongatra indray ny volana novambra sy desambra 2023 teo. Tranga 12 no hita tamin’izany, ary niampy iray vaovao indray tamin’ity fiandohan’ny taona 2024 ity, raha ny tatitra avy any an-toerana hatrany. Hatramin’izao, mbola mijanona ho misitery, tsy misy mahafantatra hoe: inona marina ity biby manaikitra omby ity? Mbola tsy nisy nahita maso azy fa raha ny tsikaritry ny fokonolona dia mitovitovy amina dian’alika ny diany; saingy somary lehibe kokoa. Mandeha ny fanadihadiana ataon’ny tompon’andraikitra voakasika amin’izao fotoana izao, hamantarana ny tena marina ao ambadik’ity tranga hafahafa ity.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT