BRICKAVILLE

Karazan’alika masiaka no mihinana ireo omby amin’ny alina


  • Zoma 12 Janoary 2024

Tsy mandry fahalemana ireo mponina any amin’ny distrikan’i Brickaville amin’izao fotoana izao.

Vao maizimaizina ny andro dia manidy trano avokoa ny olona no sady tsy misy sahy mivoaka intsony.Noho ny fisian’ilay biby tsy fantatra izay tonga mihinana ireo omby amin’ny alina no anton’izany ka omby miisa 40 hatreto no efa lasibatra ary ny vavany avokoa no montsana sy rovitra. Tsy nipetra-potsiny ireo dokotera mpitsabo biby any an-toerana noho izany fa niezaka ny nanao fanadihadiana. Fantatra nandritra izany ary fa karazan’alika masiaka no mihinana ireo omby any an-toerana ireo. Tsy mivoaka izy ireny raha tsy amin’ny alina raha mbola tsy fantatra kosa izay mety ho fiaviany. Tandindomin-doza hatramin’ny ain’ny mponina noho izany, antony hiantsoan’izy ireo ny Fitondram-panjakana mba handray ny andraikiny. Tsy mbola nisy moa ny fepetra noraisina hatramin’ny omaly ankoatra ny famerana ny mponina mba sahy hitandrina ny biby fiompiny sy hiaro ny ainy.
Nangonin’i Pati
Legende : Maratrabe tahaka izao avokoa ny vavan’ireo omby lasibatra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT