Actualités

“Boulangerie” nirehitra Saika potika ny manodidina azy


  • Alakamisy 02 Novambra 2017

Nitrangana hai-trano indray tao Antsirabe ny tolakandron’ny talata 31 oktobra lasa teo. Toeram-panaova-mofo iray miorina tsy lavitry ny tobin-dasantsy eo Antsenakely no nisian’ny afo

, saingy soa ihany fa tsy mbola nahazo ireo fitaovana fanaova-mofo sy ny fitobian-tsolika tao amin’ilay fanaova-mofo ny afo fa raha tsy izany dia saika zava-doza tanteraka. Raha ny fantatra dia nanao fanitarana ity toeram-panaovana mofo ity, izay tsy fantatry ny fokontany akory ny fisian’izany fanitarana izany raha ny resaka. Niainga tamin’ireo hazo nampiasain’ny mpiasa no niandohan’ny afo ka nihanika ny rindrina satria voalaza fa nahandro sakafo izy ireo ka nihitatra ny afo ka poa toy izay dia nijoalajoala ny lelafo sy setroka. Karana moa no tompon’ny fahavoazana ka vetivety indray tamin’ity ny fahatongavan’ny mpamonjy voina hany tokana eto Antsirabe dia ny an’ny Orinasa Cotona izany, izay namonjy haingana dia haingana ny afo tsy hihitatra fa raha tsy izany dia saika zava-doza. Ny mahalasa ny saina moa dia ny fanomezana fahazoan-dalana amin’ny fanorenana satria dia toeram-panaovana mofo no miorina tsy lavitry ny tobin-dasantsy no sady afovoan-tanana ihany koa. Ankoatra izany dia nambaran’ny lehiben’ny fokontany fa tsy fantatry izy ireo akory ny fisian’ny fanitarana ataon’ireo karana ao io. Mahalasa saina ny gaboraraka!

Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT