Nitrangana loza mahatsiravina tany Belo Tsiribihina omaly Alatsinainy antoandro fiandohan’ny volana Septambra
Botry iray antsoina hoe : Bon espoir II no rendrika vokatry ny fitsokan’ny rivotra diso tafahoatra. Vokany, olona dimy mianaka be izao no indray namoy ny ainy izay marihina fa zaza amam-behivavy ny efatra, reny mitondra vohoka ny iray. Avotra soa aman-tsara kosa ny fito tamin’izy ireo raha ny vaovao azo. Tsy mbola nisy hita hatramin’ny omaly hariva ny vatana mangatsiakan’izy ireo. Efa nanatona sisin-tany mantsy ity botry ity no rendrika ka tsy nanano sarotra ho an’ny fokonolona any an-toerana ny nifanome tanana. Efa efatra andro izao no nandrivotra tsy nisy toy izany ao Belo Tsiribihiana, araka ny vaovao any an-toerana. Manahy ny mety hisian’ny loza matetika, araka izany, ireo mpiandriaka ankoatra ireo mpandeha izay marihina fa nihemotra ny ankamaroany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.