Actualités

Boston Lehilahy be diplaoma nisafidy ho mpanjaitra kiraro


  • Talata 10 Jona 2014

«Tsy misy asa ratsy fa mahavelona avokoa raha ifotorana sy hajaina», hoy i Boston, raim-pianakaviana iray, 45 taona, mpanjaitra kiraro.

 Manambady izy ary manan-janaka telo, monina ao Tsimenatse Andrefana, Toliara. Raha ny fitantarany nandritra ny tafa nifanaovana taminy dia efa 15 taona no nanaovany ity asa ity ary mahavelona tsara ny ankohonany. Taorian’ny fahavitan’ny fianarany teny amin’ny anjerimanontolo dia niasa tamina orinasa tsy miankina iray ny tenany. Kely anefa ny karama dia naleony nanapa-kevitra niasa tena ary nifofotra tamin’ny fanamboarana sy fanjairana kiraro simba sy kojakoja hafa, satria vola isan’andro io.

 

Sady boto no “patron” !

 

Betsaka, hoy izy no nangataka sy niangavy ahy hampianatra nefa nahita tsirony tamin’ny asa tanana aho. Sady boto no patron kely e !, hoy ity manampahaizana manokana momba ny tantara sy taranja malagasy ity. Fanirian’i Boston ny hanangana orinasa fanamboarana kiraro ao Toliara. Mbola miketrika sy manangom-bola aloha hatreto raha ny filazany. Hafatra no napetrany ho an’ireo zandry sy tanora amin’izao, fa tsy misy ny asa ratsy na mahamenatra izany fa ny filofosana ihany no mahatafita.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT