Tonga teny amin’ny Ambasadin’i Sina eny Nanisana ireo delegasiona avy eo anivon’ny fari-piadidian’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra notarihin’ny lefitra voalohan’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo
Ramboasalama Emilien sy ny delegen’ny Boriborintany voalohany Raharivelo Tiana Harilaza omaly talata 7 novambra, mba handray ireo fitaovana nomen’ny Masoivoho sinoa eto Antananarivo. Teny an-toerana ihany koa ny solombavambahoaka voafidy tao amin’ny boriborintany I, Hanitra Razafimanantsoa. Fitaovana ahitana borety 11, angady 60 ary “moto pompe” 1, izay hoenti-manadio sy miatrika ny vanim-potoanan’ny fahavaratra. Anisan’ny manampy betsaka ny tanànan’Antananarivo Renivohitra amin’ny fiatrehana ny fahavaratra sy ny fanafoanana ny valanaretina pesta izy ireto, hoy ny tompon’andraikitra iray avy eo anivon’ny kaominina. Nohamafisiny fa efa hatramin’ny main-tany izy ireo no niomana sy nanao ny asa rehetra izay hiatrehana amin’ny fiavian’ny orana. Tsy mitsahatra ny manentana ny rehetra ny fiadidiana ny tanàna hikajy hatrany ny fahadiovana mba tsy ho very maina ireo ezaka sy asa ataon’ny kaominina. Tanàna iaraha-manana rahateo ity, ary tokony ho tonga ao an-tsain’ny tsirairay ny hoe rehefa tsy mandoto, dia efa naman’ny manadio.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.