Boriborintany I_Vola avy amin’ny CIAD

Sekoly sy paositry ny polisy maromaro nahazo fitaovana informatika


  • Alarobia 03 Jolay 2024

Omaly 02 jolay no natolotra ny sampan-draharaha mpisitraka ireo fitaovana

informatika noraisina noraisina afak’omaly, avy amin’ny volan’ny CIAD (Crédit d'Investissement destiné à l’Appui au Développement) tantanin’ny depiote ho an’ny Boriborintany I eto Antananarivo. Nifanaiky izahay sy ireo tomponandraikitra nandray azy ireto fa volam-bahoaka no enti-manana ny CIAD ka noho izany dia entina hanasoavana ny vahoaka ireto fitaovana ireto, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Nambarany fa efa nohenoina rahateo ny filàn'ny sampana tsirairay mialohan'ny nandrafetana ny fanadaharan'asa nahafahana nahazo ireto fitaovana ireto. Analakely, Isotry, 67Ha, Ampefiloha ary Antaniavo no postes de police nisitraka izany. Lycée Jules Ferry Faravohitra sy Lycée Moderne Ampefiloha ary ENS kosa koa dia nahazo ny anjarany. Toy izany koa ny Distrikan'Antananarivo voalohany. Tanjona ny ahafahana manatsara ny fikarakarana ny vahoakan'ny Boriboritany Voalohany tsy ankanavaka, hoy io depiote io.
Nangonin’i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT