Tsy mandika kopia amin’ny teny Frantsay intsony ny Boriborintany faha-efatra, raha araka ny fanadihadiana natao tao an-toerana.
Ny tribonaly no manatanteraka izany izay vao entina miverina ao amin’izy ireo hoy ny fanazavana. Entina any amin’ny tribonaly ihany koa ireo kopia diso izay vao entina ao amin’ny Boriborintany faha-efatra ka rehefa vita soa aman-tsara izany hoy ny tompon’andraikitra dia hita misoratra ao anatin’ilay kopia vaovao ilay diso nasiam-panitsiana. Samy ao amin’ny varavarana fahatelo ao amin’ny tribonaly Anosy avokoa no hanaovana izany rehetra izany. Mikasika ny kopia mari-pahaterahana indray dia fantatra fa isaky ny andro alatsinainy hatramin’ny alakamisy manomboka amin’ny 07 ora maraina ka hatramin’ny 09 ora maraina izy ireo no mandray fangatahana momba izany hoy Rtoa Rija Ethel Razafimandimby, lefitry ny delegen’ny Boriborintany fahaefatra. Na izany aza anefa hoy izy dia tsy manakana azy ireo tsy handray ireo olona tonga anelanelam-potoana izany ho fanomezana fahafaham-po azy ireny. Toraka izany koa ny andro zoma izay tsy tokony handraisan’izy ireo fangatahana fanamboarana kopia saingy mandray ihany izy ireo ho an’ireo izay mila izany tampoka. Iray andro aorian’ny fanaovana fangatahana ihany dia vita soa aman-tsara ny kopia. Mahatratra 700 isan’andro raha kely ny kopia raisin’izy ireo an-tanana raha 40 ka hatramin’ny 50 isa isan’andro eo kosa ny an’ireo zaza vao teraka mila izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.