Actualités

Boriborintany faha-6 : Nesorina ny delegen’ny Ben’ny tanàna


  • Alakamisy 21 Janoary 2010

Nisaoran’ny delegasiona manokan’ny Kaominina Antananarivo renivohitra ny delegen’ny Ben’ny tanàna tao amin’ny Boriborintany faha-6 Ambohimanarina, Rabemanana Jean Gaston. Tsy niandry ela ny fanendrena ny solony, tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity ihany dia Ralitera Andriamparany Guy.

 

Efa lefitra faharoan’ny delegen’ny boriborintany faha-2 ity delege vaovao ity, avy eo tao amin’ny kabinetran-dRatsivalaka Michèle ary dia lasa mpamita iraka na “Chargé de mission” indray rehefa tonga ny PDS Razafindravahy Edgard, dia izy voatendry ho delegen’ny Ben’ny tanàna izao. Betsaka ny resaka mandeha mikasika ny delege nesorina tamin’ny faramparan’ny taona 2009 iny. Toa misy raharaham-pitsarana mahakasika azy koa aza handeha ato ho ato. Re koa anefa etsy ankilan’izany fa vao miandoha dia toa efa marisarisa sahady ny fifandraisana amin’ny samy mpiasa eny amin’ny boriborintany faha-6 eny. Mandeha ny feo fa tsy avy eny an-toerana ny olona notendrena ary toa efa niandrandra izany toerana izany koa ny lefitry ny delege nisahana ny fampandehanan-draharaha tamin’ny fotoana tsy nahateo an-toerana ny delege tompon-toerana. Na izany aza dia amin’ny Zoma 22 janoary no tetiandro voalaza fa hihaonan’ny delege vaovao amin’ireo mpanolotsaina monisipaly rehetra voafidy tao Ambohimanarina.
 
Nangonin’i Jean D.
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT