BORD AKAIKIN’NY HOPITALIBE TOAMASINA

Tovolahy tratry ny rarintsaina saika hamono tena


  • Alarobia 16 Jolay 2025

Tovolahy iray vao herotrerony no fantatra omaly Talata 15 Jolay tokony

ho tamin’ny 10 ora atoandro fa tratry ny rarintsaina goavana ka saika hamono tena. Efa nitsipatsipaka tao anaty ranomasina izy no nisy nahita sy tonga saina nefa efa lasa tany amin’ny lalina no sady tsy nahay nilomano akory. Niezaka ny nanala ny lambany ilay tovolahy nandritra izany raha niroboka tao anaty ranomasina kosa ilay olona nanavotra azy. Nampiakarina an-tanety izy taorian’izany ka avotra soa aman-tsara ihany ary nanazava fa mafy ny rarintsaina mahazo azy, antony saika namonoany tena. Nakana posiposy bisikileta ity tovolahy ity taorian’izany nanatitra azy nody tany Anjomaha izay mbola vola avy any am-paosin’ilay nanavotra azy ihany. Tsiahivina hatrany moa fa tsy mitsaha-miakatra ny salan’isan’ireo olona tratry ny rarintsaina eto amintsika. Ankoatra ny hadisoam-panantenana vokatry ny resa-pitiavana dia betsaka ireo mahatsiaro ho voahilika, tsy mahita asa, tsy afaka manohy fianarana, tsy mahavita ny adidiny amin’ny vady aman-janany intsony noho ny hasarotan’ny fiainana ka lasibatr’io rarintsaina io. Manodidina ny 60% eo ho eo izy ireo raha kely ka ny lehilahy no tena maro an’isa indrindra.
Pati
Legende : Efa latsaka tato anaty ranomasina ilay tovolahy no nisy nanavotra !


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT