Actualités

Bonbons sucettes 8 milara ariary Sarotra ny fikarohana ny tena marina


  • Alatsinainy 22 Jona 2020

Miha sarotra ny raharaha « Bonbons sucettes 8 miliara Ar » raha ny vokatry ny fanadihadiana teny amin` ny PAC ny zoma lasa teo.Olona 7 moa no nampidirina am-ponja vonjimaika. Raha ny fanambarana nataon` i Me Willy Razafinjatovo na Maitre Olala,

 

 

 

 

 izay mpisolovavan'ny iray amin' ireo natao fanadihadiana, dia tsy afaka nanapa-kevitra samirery ireo olona ireo satria mihoatra ny 200 tapitrisa Ariary ny vola voaresaka ka ny fahefana ao ambony no tompon'andraikitra amin'ny fanapahan-kevitra ; tsy maintsy eken’ny filoham-pirenena ny famoahana vola mihoatra ny 200 tapitrisa ariary, vao azo tanterahana.Izay ny lalàna . Rariny, noho izany, raha tokony hadihadiana ihany koa ny filoham-pirenena mba hamantarana hoe : fantany ve sa tsia ny fisian’ny fikasana hamoaka ilay volabe amina miliara ariary .. Tsara kosa anefa no manamarika fa na filoham-pirenena na ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha, Rijasoa Andriamanana Josoa, dia tsy maintsy ilay fitsarana avo na haute cour de justice (HCJ) no manadihady sy mitsara azy fa tsy rafi-pitsarana tsotra. Marihana ihany koa fa fandaharam-potoana tafiditra teo amin` ny Antenimieram-pirenena ny solontenan` izy ireo eo amin` ny Fitsarana avo (HCJ) tamin` ny 10 jona teo saingy tsy tanteraka ny fananganana ny vaomiera misahana ny fampiangana eo anivon` izany fitsarana izany. Fanemorana nambaran` ireo solombavambahoaka maro an` isa fa noho ny fahatsapàna ny maha zava-dehibe ireo vaomiera ireo ka mila fandinihana manokana mikasika ny fananganana izany no antony fanemorana izany fifidianana izany. Fotoana anefa izao hanaporofoana fa tany tan-dalàna isika ka tsy misy ambonin` ny lalàna, na iza na iza. Ary raha milaza moa ny ministra voakasika fa tsy mbola nivoaka ilay vola dia tokony madio sy mangarahara ny fanadihadiana ary tsy misy tokony atahorana. Ireo solombavambahoaka moa dia nilaza fa tsy maintsy atao amin` ity fivoriana ara-potoana ity ny ny fananganana ny vaomiera misahana ny fampiangana eo anivon` ny HCJ. Ho hita eo ny tohiny.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT