Drafitrasa matipaika ho amin’ny fampandrosoana maharitra ny firenena Malagasy no antony namolavolana ny Madagasikara Am-Perinasa nandritra ny fitondrana Ravalomanana tamin’ny volana oktobra 2006
Fitaovana tena goavana natao hanafainganana sy handrindrana ny asa fampandrosoana, indrindra ho fanatanterahana ny dingana lehibe mitondra any amin’ny fanatsarana ny sehatry ny toekaren’ny firenena Malagasy ny MAP. Ireo sori-dalana sy laharam-pahamehana ho an’i Madagasikara tokony ho notanterahana nandritra ny dimy taona nanomboka ny taona 2007 hatramin’ny 2011 moa no voasoritra tao anatin’ity boky fandaharanasa notarihan’ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara teo aloha Marc Ravalomanana ity. Voasoratra mazava ao anatin’ny MAP avokoa na ireo toky nomena, na ny paikady na koa ireo asa ilaina tanterahina ahatongavana amin’ny fisondrotan’ny harinkarena haingana, fampihenana ny fahantrana ary ny ahafahan’ny firenena Malagasy misintona tombontsoa manoloana ireo fanambin’ny fanatontoloana. Tsy nataotao foana ny Madagasikara Am-Perinasa fa nampifandraisina tamin’ny vina «Madagasikara Voajanahary» sy ny Tanjon’ny Fampandrosoana amin’ny Taona Arivo Fahatelo. Tsetsatsetsa tsy aritra ihany no ilazana fa hita eny amin’ny fivarotam-boky sy ireo mpivaro-boky mandehandeha ny boky MAP izay sandaina 2 arivo ariary ankehitriny. Raha araka ny fanazavan’ireo mpivarotra ity boky MAP ity dia tena mahaliana ny olona tokoa ilay izy, maro ny mpividy fa ny entana indray aza no tsy maharaka. Hoy indrindra ny mpivarotra iray : “mandeha ny tsena matoa izahay mivarotra ity boky MAP ity…”, tsy mbola fantatra mazava kosa anefa hatreto hoe avy aiza no loharano nahazoan’ireo mivarotra ity boky fandaharanasan’ny fitondrana Ravalomanana ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.