Actualités

Bokan-trosa ny JIRAMA Hiakatra ny saran’ny jiro sy ny rano ?


  • Alarobia 03 Septambra 2014

Bokan-trosa hatrany amin’ny 100 miliara ariary amina resaka vidin-tsolika ny Jirama. Malaina ny hanome solika azy noho izany ireo kaompania mpivarotra solika eto amintsika.

Rehefa tsy ampy anefa ny solika hampihodinana ireo milina mpamokatra herinaratra dia tonga ho azy ny delestazy amin’ny faritra maro manerana ny nosy. Tena sahirana ara-bola ny Jirama, ary raha ny fahafantarana azy dia tsy manana vahaolana afa-tsy ny fampiakarana ny saran’ny jiro sy ny rano aloha hatreto ireo mpitantana ity orinasa ity, raha toa ka tiana handeha tsara ny asa. Ho zava-doza amin’ny fiainam-bahoaka anefa ny fiakaran’ny saran’ny jiro sy ny rano satria tsy maintsy hitarika ny fiakaran’ny vidin’entana avy hatrany. Ny mbola tena mampatahotra aza dia hisy akony any amin’ny tontolon’ny fandraharahana sy ny fiainan’ireo orinasa eto amintsika izany. Azo antoka, hoy ny mpahay toekarena iray fa hitarika fiakaran’ny vidim-piainana ny fampiakarana ny vidin’ny jiro sy ny rano. Afaka mamonjy ny Jirama ihany amin’ny alalan’ny fanetsemana ny banga ka hanao « subvention » ny fitondram-panjakana, saingy tsy mankasitraka io fomba fiasa io ireo mpamatsy vola mahazatra tahaka ny banky iraisam-pienena sy ny Tahirim-bola iraisam-pirenena, ka asa izay hiafaran’ity resaka ity !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT