Tonga tany Toamasina omaly ny sambo mitondra solika mavesatra na « fuel lourde »
an’ny Jirama araka ny seraseran’ity orinasa mpamatsy jiro sy rano ity tamin’ny alalan’ny Tale Jeneraliny Ron Weiss omaly. Ny jovena no manao fitaterana izany, ka hanomboka ny fanapariahana azy manerana ny nosy. Mbola hisy fahatapahana ao anatin’ny roa andro, ary aorian’izay no hiverina amin’ny laonina tanteraka ny fampiodinana, hoy ny Jirama. Nambara hatrany moa, fa manana tahiry fa voafetra, ka mba ahafahana mitsitsy solika no antony fahatapahana tao anatin’ny herinandro teo izay. Niaiky ny Tale Jeneralin’ny Jirama, fa manana olana ara-bola, ary mbola miankina amin'ny « fournisseurs » na ny mpamatsy ny ain’ity orinasa ity. 1500 miliara Ar ny fitambaran'ny trosa, izay mitsinjara ho 2, ka ny 129 an’ireo miliara mpamatsy kelikely ary ny ampahany betsaka dia an’ ireo mpamatsy lehibe dia ny mpamatsy solika sy mpamatsy angovo lehibe. Omena tsikelikely amin’ny alalan’ny vola miditra avy amin’ny faktiora ilay 129 miliara, izany hoe : io no nambaran’ny Jirama fa zakany. Nolazana rahateo fa hiezaka ny tsy hampitombo ny trosany ny Jirama. Sarotra kosa ny an’ireo mpamatsy lehibe, ka nilaza ny Tale Jeneralin’ny Jirama fa efa nisy soso-kevitra nalefa amin'ny Fanjakana ka andrasana ny valiny. Nilaza moa i Ron Weiss fa hifantoka kokoa amin’ny angovo azo havaozina ny Jirama, ka mikendry famokarana an-jatony Mégawatts. Tsara ny mampahatsiahy, fa tafiditra tao anatin’ny fepetran’ny FMI amin’ny fisitrahan’i Madagasikara ny famatsiam-bola fitserana ho an’ireo Firenena marefo ara-bola dia ny FEC sy FRD 660 tapitrisa dolara ao anatin’ny 3 taona ny nanendrena ny Tale Jeneralin’ny Jirama, ny fandefasan’ny Jirama tatitra isam-bolana amin’ny FMI, ny fandefasana ny drafi-panarenana ny Jirama mialohan’ny novambra 2024,… Mikasika ny tokony hampiasana ny solika mavesatra avy eto Madagasikara amin’ny alalan’i Tsimiroro, dia nilaza ny teo anivon’ny Jirama fa misy Minisitera misahana an’izany ka miankina aminy. Momba ny ambana amin’ny hiakaran’ny vidin-tsolika kosa, dia nambara fa ho voakasika ny Jirama. Tonga ny solika dia handeha milamina mandra-pahoviana ny Jirama ? Mba hisy fiantraikany amin’ny faktiora ve ireny fahatapahana misy mahatratra adin’ny valo na adin’ny folo isan’andro tao anatin’ny herinandro ireny ? Tsy ny mpanjifa hatrany ve no hampizakaina ny vesatra sy trosa ateraky ny tsy fahaiza-mitantana ny Jirama an-taonany maro ? Ny vahoaka no mahita faisana !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.