Actualités

“Bois de rose” tratra tany Daraina Nanjavona teny an-dalana ho any am-ponja ny voapanga


  • Alakamisy 04 Martsa 2010

Mpandraharaha telo any SAVA no fantatra izao fa voarohirohy tamin’ny fikasana hanondrana an-tsokosoko “bois de rose” miisa 12 kamio tratra tany Daraina.

Ny mpitandro ny filaminana tao Vohémar no nandray an-tanana ny fanadihadiana savaranonando manodidina ity raharaha ity. Ny talata 02 martsa teo no nalefa teny amin’ny fampanoavana tao Antalaha ny dosie niaraka tamin’ireo voarohirohy. Taorian’ny famotorana teny amin’ny fitsarana dia nahazo fahafahana vonjimaika ny iray tamin’ireo mpandraharaha ireo, ny roa kosa voatana amponja vonjimaika.

 
Tamin’ny fotoana hanaterana ireto farany any am-ponja anefa no nisy trangan-javatra hafahafa. Nangataka ny handalo any an-tranony hisotro rano ny iray amin’ireo voapanga. Mpandraharaha, manana hotely, ao Antalaha mantsy ny iray amin’izy ireo. Tsy nanda izany ny mpitandro ny filaminana tokony hanatitra azy ireo any am-ponja. Nisy roalahy izy ireo, araka ny loharanom-baovao, ary nifampizara ka iray ihany no nanaraka ity voapanga niera ity. Akory anefa ny hatairana fa dia nanao sambo nilentika ilay mpandraharaha, tsy hita izay nanjavonany. Sady tsy tao an-trano nolazainy fa haleha no tsy tonga tany am-ponja tamin’io andro talata io. Mifamahofaho be ny resaka ankehitriny.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT