Raha ny vinavinan’ny Sendikan’ny mpiasan’ny ala dia tsy misy afa-tsy ny 30 %n’ny tahirina «bois de rose» nanaovana fanambarana tamin’ny 2009 sisa no tavela. Na dia nisy aza mantsy ny didy hitsivolana mandrara ny fanapahana, fitaterana ary koa fanondranana ity karazana hazo sarobidy ity dia mitohy hatrany ny fandripahana.
Niaiky izany rahateo ny praiminisitra tamin’ny valandresaka nataony ny alatsinainy teo. Araka ny tombatombana nataon-dRakotonirina Aimé Joseph, sendikan’ny mpiasan’ny ala dia tsy latsaky ny iray alina taonina ny «bois de rose» nanaovana afera tao anatin’ny roa taona nivoahan’ilay didy hitsivolana. Mifanohitra tanteraka amin’ny fijerin’ny Fikambanan’ny injenieran’ny ala ny hevitry ny filohan’ny Sendikan’ny mpiasan’ny ala momba ny famarotana ny «bois de rose». Aminy mantsy dia ny famelana malalaka ny fivarotana ity harem-pirenana ity no vahaolana. “Raha tsy alalahana io varotra io dia misy foana ireo mahita lalana hafa ahazoam-bola amin’ny ‘bois de rose’.
Satria hisy foana ny fanapahana sy fandrondranana antsokosoko dia tsy hisy tombony azon’ny fanjakana mihitsy na amin’ny alalan’ny haba na koa hetra samihafa”, hoy Rakotonirina Aimé Joseph. Nambarany koa fa hihasimba sy momoka ireo tahirina andramena ireny izay tsy fantatra marina ny isany raha toa ka tehirizina, ny famadihana azy ho vola dieny mbola tsara kalitao no mety. Ny tena nanaitra koa dia ny filazan’ny sendika ny ahiahiny manoloana ny “Comité de pilotage” izay ambarany ho tsy mahay afa-tsy ny manohana fampiatoana aloha ny famarotana “Sao sanatria ao ambadik’ireo mpanao afera ‘bois de rose’ koa ary ry zareo”. Nomeny tsiny koa ny Ministeran’ny tontolo iainana izay variana loatra amin’ny “bois de rose” fa zary manadino ireo lalampihariana momba ny ala sy tontolo iainana hafa rehetra.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.