Actualités

Boaderôzy 4 000 T any Zanzibar Minisitra sy depiote voarohirohy …


  • Alakamisy 17 Jolay 2014

Ny zandarimariam-pirenena mihitsy no namaky bantsilana. Misy boaderôsy 4 000 taonina indray tonga atsy amin’ny nosy Zanzibar rehefa niala teto Madagasikara. Fiantsonana fotsiny ihany ny ao Zanzibar fa halefa any Chine ireo bolabolan’andramena ireo. Minisitra iray, depiote roa ary zanaka lehiben’andrimpanjakana iray no voalaza fa ao Ny zandarimariam-pirenena mihitsy no namaky bantsilana. Misy boaderôsy 4 000 taonina indray tonga atsy amin’ny nosy Zanzibar rehefa niala teto Madagasikara. Fiantsonana fotsiny ihany ny ao Zanzibar fa halefa any Chine ireo bolabolan’andramena ireo. Minisitra iray, depiote roa ary zanaka lehiben’andrimpanjakana iray no voalaza fa ao

ambadik’ity trafika ity. Manaporofo indray ity tranga ity fa hafa ny lazain’ny vava, hafa ny ataon’ny tanana ao anatin’izao fitondrana vaovao izao. Nilokaloka i Hery Rajaonarimampianina raha nanao fianianana ampahibemaso ho ren-tany ren-danitra teo Mahamasina tamin’ny 25 janoary 2014 tamin’ny nandraisany ny fahefana feno maha filohan’ny Repoblika fa tany misy lalàna eto, ary tsy handefitra amin’izay minia mihoa-pefy. Hisy fisamborana ary ve amin’ity raharaha ity sa hojerem-potsiny indray. Tsy vao androany mantsy no nahenoana boaderôzy nisy nanondrana an-tsokosoko ary tratra any ivelany any hatramin’ny janoary 2014 no ho mankaty. Misy hatrany olom-panjakana voatontonona ao ambadik’izy ireny. Mijanona no fanambarana entana tratra fotsiny anefa hatreto fa tsy misy tohiny na fisamborana. Hametra-pialana ihany koa sa hiandry fiantsoan’ny Fitsarana, raha hisy tohiny ny raharaha, ireny olom-panjakana voarohirohy ireny ? Mbola boaderôzy ireo fa ahoana ihany koa ny amin’ireo mpanondrana volamena sy vato sarobidy ary sokatra sy biby arovana  mila ho lany tamingana izay manarararaotra toy ny banga mihomehy alina ? Toa ny boaderôzy ihany mantsy no resahina be amin’ny haino aman-jery sy an-gazety fa iretsy harem-pirenena hafa iretsy iniana tsy lazaina. Andrasana ny tohin’ity raharaha ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT