Fantatra tamin’ny fandalovana teny amin’ny Foara Fier Mada omaly avy amin’ny mpampiranty teny an-toerana fa rehefa volena amin’ny fomba manaraka teknika
ny hazo boaderozy dia tsy miandry 100 na 200 taona izany vao afaka ho lehibe azo hangalana bolabola fa eo amin’ny 15 taona eo ihany. Tsy azo ampiarahana ambolena amin’ny hazo tsotra toy ny kesika kosa anefa izy fa tsy maintsy miaraka amin’ny ireo hazo sarobidy malagasy toy ny aviavy sy amontana.
Jono
Mitaraina ny mpandraharaha malagasy eo amin’ny sehatry ny jono an-dranomasina ankehitriny fa ho faty tsikelikely izy ireo noho ny afitsoky ny mpandraharaha vahiny misahana ny asa mitovy amin’izy ireo eto amintsika satria tsy voahaja ny lalàna mikasika io fifaninanana io. Ianjadian’ny adin-tsaina mihitsy ny mpandrahara malagasy sy ireo mpanjono manoloana izany, hoy Rtoa Bakoly Razakanavalona ka angatahina ny mba hijeren’ny fanjakana izany ao anatin’izao efa-bolana hikatonan’ny fotoam-panjonoana eto amintsika izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.