BNGRC sy ny CRM

Miara-miasa akaiky amin’ny fitantanana loza sy tandindon-doza


  • Alatsinainy 19 Aogositra 2024

Miara-miasa akaiky amin’ny BNGRC na ny Birao mahaleo tena iadiana amin’ny

kolikoly sy ny vokovoko mena malagasy na ny CRM ao anatin’ny fitantanana ny loza sy ny tandidondoza. Hanatsarana ny kalitaon’ny fandraisana an-tanana amin’ny maha - olona sy fanomezana fanampiana an’ireo olona traboina sy ireo fianakaviana tena marefo rehefa misy ny loza mitranga no tena tanjona.Isan-taona dia maro ireo hetsika iarahan’ny BNGRC sy ny CRM mba ahafahana manatsara hatrany ny haavon’ny lentan’ny fiomanana amin’ny fiatrehana ny loza sy ny tandidondoza any amin’ireo toerana rehetra misy ny tetikasa iarahan’izy roa tonta manao sy manatanteraka. Isany azo lazaina fa dingana lehibe vita tamin’ity taona ity ohatra ny fanaovana ny atrikasa fakan-kevitra ahafahana mamolavola ny paikadin’ny Faritra Anosy momba ny fiomanana amin’ny fiavian’ny fotoam-pahavaratra (Plan régional de contingence – cyclone et inondation), izay fantatra fa isan’ny andry lehibe ifotoran’ny fandrindrana ny asa fiatrehana ny loza sy ny tandindon-doza aterak’izany voina voajanahary voalaza etsy ambony izany. Nanokatra izany ny governoran’ny Faritra Anosy, ny tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny BNGRC ary ny CRM. Avy tamin'ny Vondrona Eoropeana ny famatsiam-bola ary niarahan'ny BNGRC sy CRM niombon’antoka tamin'ny Vokovoko mena Alemana ny hetsika rehatra natao tamin'izany.
Pati
Legende : Nandritra ny fihaonana natao tany amin’ny Faritra Anosy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT