Actualités

BNGRC Hanatsara ny fomba fiasa


  • Zoma 01 Aogositra 2014

Nifarana omaly ny atrikasa nataon’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary na (BNGRC).

Hisy ny fanatsarana ny fomba fiasa ho fiatrehana ny loza voajanahary toy ny fanamafisana ny fifandraisana eo amin’ny foiben’ny BNGRC sy ny sampana eran’ny faritra. Nisy ny lesoka  teo amin’ny fanangonana ny  toro  mahakasika ny  loza, hoy  Atoa Rambolarson Charles sekretera mpanatanteraka  lefitra eo anivon’ity sampandraharaha ity. Tsy mitovy mantsy, hoy ihany izy ny  vaovao voaray matetika noho ny  tsy  fahazaran’ny olona any amin’ny faritra miatrika ny loza, indrindra raha faritra tsy dia ampoizina hitrangana loza voajanahary. Misy  ny fanazaran-tena atao hiatrehana  loza any Antsohihy sy  Brickaville ka nosafidiana manokana  ireo faritra ireo noho ity farany manakaiky ny zava-misy marina rehefa tonga ny loza sady toerana mifanalavitra ka azo handrefesana ny  fahaiza-manao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT