Actualités

BNGRC Atomboka dieny izao ny fiatrehana ny fahavaratra


  • Alatsinainy 19 Oktobra 2020

Raha ny tombana nomen` ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro dia vinavinaina ho telo hatramin` ny dimy eo ho eo ny rivo-dizo hananontanona ny sisin-dranomasin`i Madagasikara mandritra ity fotoam-pahavaratra ity.

 

  Ho betsaka kokoa ny rotsak`orana indrindra any amin`ny faritra morontsiraka. “Miteraka fahavoazana indrindra ho an`ny mponina nipetraka tamin`ny toerana avo teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Tsiahivina ny momba ny fihotsan`ny tany sy ny vato be. Ankoatra ny fiakaran`ny rano any amin`ny fotoam-pahavaratra any amin`ny faritra iva. Voakasika ihany koa ny morontsiraka izay mahabetsaka ny tahan`ny traboina an-tapitrisany isan-taona” hoy ny Jeneraly Elack Olivier Andriankaja, tale jeneralin` ny BNGRC. Antony tsy maintsy hanamafisina ny fiomanana miainga avy amin` ny olom-pirenena tsirairay indrindra eo anivon` ny sampandraharaha miantsoroka ny vonjy voina sy ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary (BNGRC). Namafisiny hatrany fa atomboka dieny izao ny fiomanana amin` ny fiatrehana ny vanim-potoana ny fahavaratra ho fisorohana ny loza goavana. “Hamafisina ny fametrahana saina mena , marika famantarana manokana ireo faitra tandidon-doza izay mbola mitoetra hatramin` izao”. Miara miasa akaiky moa ny CUA sy ny BNGRC ary efa vonona ny fitaovana rehetra amin`ny vonjy voina amin`ny fotoana fahavaratra. Efa natomboka ny fanentanana ny mponina amin`ny fiomanana amin`ny tokony atao rehetra niarahana tamin`ny rantsamangaiky sy mpiara-miombon`antoka.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT