Actualités

BMH ISOTRY “Aoka hazava fa tsy mpangalatra faty izahay”


  • Alakamisy 19 Oktobra 2017

Niteraka fimenomenomana be teny anivon’ny fiaraha-monina tato ho ato ny mikasika ny fakan’ny BHM ireo razana eny anivon’ny hôpitaly voaporofo sy voamarina fa voan’ny pesta izay alevina avy hatrany eny Anjanahary fa tsy azon’ny fianakaviany entina.

Nanambara ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny sampandraharaha ity fa ny asan’izy ireo no hataony izay mizara roa miavaka tsara dia ny fakana ny razana avy hatrany rehefa vita ilay fitsapana TDR  ataon’ny dokotera ka voamarina fa voan’ny pesta ilay olona ary ny mandevina ny razana. Tsy manana tombontsoa amin’ny fakana razana etsy sy eroa izahay hoy ity tompon’andraikitra ity na dia izany aza no feo mandeha fa ny asanay no hataonay ho fiarovana ny aim-bahoaka. Mikasika ilay teny Anosibe manokana  izay voatery nirotsahan’ny mpitandro ny filaminana mihitsy dia nomarihiny fa olona teny amin’ny manodidina ihany no niantso ilay laharana  maitso 910 nampandre ny tompon’andraikitra fa nisy trangam-pahafatesana mampiahiahy teny an-toerana ka tsy maintsy nirosoana ny fanadihadiana rehetra. Tsiahivina moa fa  nanaiky ny nakan’ny BMH ilay razana teny an-toerana ihany ireo fokonolona tao Anosibe tamin’ny ora farany ka niravona ny raharaha.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT