Actualités

Biraon’ny holafitry ny mpanao gazety Nahazo fitaovana informatika avy amin’ny Sinoa


  • Talata 28 Febroary 2023

Tanteraka ny fikasan’ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety Rasoloarison Monica andiany voalohany entina hanatsarana ny tontolon’ny asan’ireo mpanao gazety eto amintsika.

Tonga nanolotra fitaovana informatika ho an’ny biraon’ny holafitra tetsy Ambohidahy omaly ny masoivohon’i Sina eto Madagasikara izay nahitana solosaina fiasa any amin’ny birao miisa telo miaraka amin’ireo karazana kojakoja mifandraika aminy. Toraka izany koa ny onduleurs miisa telo sy solosaina entin-tanana miisa roa ho an’ny holafitra. Azon’ireo mpanao gazety hikarakarana sary sy feo hampiasaina tsara araka izany ireo fitaovana ireo isaky ny tapak’andron’ny maraina etsy Ambohidahy. Tonga nanolotra ireo fitaovana ireo moa Atoa , Guo Xiaomei, masoivohon’i Sina miasa sy monina eto Madagasikara miaraka notronin’ny filoha holafitry ny mpanao gazety Rtoa, Monica Rasoloarison. Vao fiandohan’ny fiaraha-miasa ihany moa izao nosantarina tamin’ny fanolorana fitaovana omaly izao raha anisan’ny tanjona iraisan’ny roa tonta kosa ny hananana mpanao gazety matihanina, miara-miasa ho an’ny fampandrosoana.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ny fitaovana omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT