BIRAON'NY KAOMININA

IVATO


  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Hovitaina mialohan'ny faran'ny taona

ny asa fanamboarana
Hovitaina mialohan'ny faran'ity taona 2026 ity ny asa fanitarana sy fanavaozana ny trano sy biraon'ny kaominina Ivato, distrikan'Ambohidratrimo. Izany no fanambin'ny Ben'ny tanana Penjy Randrianarisoa ho fampandrosoana ny tanana sy ho tombontsoan'ny vahoaka. Tonga nanolotra fitaovana maro samihafa toy ny tafo, seza 60 isa, dabilio miisa 45 sy vy 40 isa entina hanaovana ny asa, ny Solombavabahoakan'i Madagasikara voafidy tao Ambohidratrimo, Johnny Rakotoarisoa omaly Alarobia 09 Septambra. Nambarany nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony fa tsy ny kaominina Ivato irery ihany no tohanany sy ampiany tahaka izao. Manampy kaominina hafa ihany koa ny tenany, indrindra fa isaky ny misy fitaovana tonga. Misy mangataka hatrany hoy izy izay fitaovana tonga ka aleo avy hatrany dia hatolotra ny anjaran'Ivato hahafahana manafaingana ny asa. Tena zava-dehibe tokoa ny fahatongavan'izao fanampiana ho azy ireo izao hoy ny Ben'ny tananan'Ivato Penjy Randrianarisoa. Tafiditra ao anatin'ny fanasoavana ny fiainam-bahoaka sy ny tanana avokoa izany rehetra izany izay tsy nitsahatra nandritra ny 10 taona mahery efa nitantanany ny tanana. Noraisiny ohatra manokana ny asa fanamboaran-dalana izay vita hatrany an'elakelantrano rehetra any. Mitohy hatrany araka izany ny asa ho an'ity kaominina iray ity. Ny 70%-n'ny asa fanamboarana ity biraon'ny kaominina ao Ivato ity moa no efa vita ankehitriny.
Pati
Légende : Nandritra ny fanolorana ny fitaovana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT