Actualités

BIRAO NASIONALY MISAHANA NY LOZA VOAJANAHARY Fanatsarana sy fanavaozana ny fomba fiasa


  • Alakamisy 31 Jolay 2014

Mba ho tombontsoan’ny rehetra dia miroso amin’ny fanatsarana sy ny fanavaozana ny fomba fiasany ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary na ny BNGRC

Tamin’ny alalan’ny atrikasa izay hiarahany amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy no hanatanterahany izany, fihaonana hifarana anio alakamisy. Anisan’ny nodinihin’ny roa tonta hatramin’ny omaly ny lesoka sy ny tsy nety tamin’ny asa natao nanomboka ny taona 2013-2014 taorian’ny atrikasa notanterahina tany Mahajanga. Tanjona ny hanatsarana hatrany ny fomba fiasa ankoatra ny fiomanana dieny izao sahady amin’ny fiavian’ny rivodoza. Hapetraka aorian’izao fihaonana izao moa ny drafitra maty paika hiatrehana ny loza voajanahary. Ho an’ny BNGRC manokana dia fantatra fa efa napetraka ao amin’ny foibe toerany etsy Antanimora ny centre opérationnel vaovao, notokanana andro vitsy lasa izay. Natao indrindra hanamorana ny fampitam-baovao izy io, hahafahana mandray fanapahan-kevitra haingana ihany koa raha tsy latsa-danja amin’ireo ny fanatsarana ny filazana ny loza ho an’ireo faritra voakasika.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT