Vita bacc ve ? Manala azy de mémé ! Io no lohahevitra hoentin’ny seho, hotanterahan’i Big MJ sy Francis Turbo ao amin’ny kianjabe fanaovam-baolin’i Mahitsy
ny tolakandron’ny alahady 24 aogositra ho avy izao. Samy tsy hifampikoso-maso ho amin’ny fanehoana ny talentany ny roa tonta, hoy ny Galax Pro mpiketrika. I Big MJ haneho ny fahaizany rehetra amin’ny fiangaliana ireo taokantony izay mirona kokoa amin’ny mozikan’ny tanora sy ny gadona mampitsinjaka. I Francis Turbo hanatosaka ny talentany ho amin’ny fampihomehezana mirakitra hafatra mafonja. Tsy iadian-kevitra fa dia ho feno tanteraka tokoa ny ambiansy eny an-toerana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.