BIBY TSY FANTATRA MIHINANA BIBY FIOMPY

Tonga any Miandrivazo, ondry miisa 3 maty


  • Alatsinainy 12 Febroary 2024

Raha tany amin’ny distrikan’i Moramanga no nandrenesana vaovao mikasika ilay

biby tsy fantatra mihinana biby fiompy toy ny omby dia tonga any amin'ny Fokontanin’i Soatanimbary Kaominina ambanivohitra Manambina, Distrikan'i Miandrivazo , Faritra Menabe indray io biby io amin’izao fotoana. Ondry miisa 11 no fantatra fa lanin’ilay biby tsy fantatra anarana no sady nahitàna kaikitra avokoa toy ny tendany, ny vatany…. Ny 03 tamin'izy ireo no namoy ny ainy raha naratra kosa ny 08 ambiny. Efa nisy tranga nitovy tamin'io ihany koa raha araka ny fantatra tany amin’ny Fokontany hafa tao anatin’ity kaominina iray ity ihany saingy tsy maro ireo biby fiompy maty sy naratra. Lasa feno tebiteby sy matahotra vokatr’izany ireo mponina any an-toerana ka tsy misy sahy mivoaka alina intsony. Vao maizimaizina dia efa manidy trano ny rehetra no sady nanamafy ny fitoeran’ny biby fiompiny ihany koa. Mbola tsy fantatra moa hatreto ity karazam-biby mihinana biby fiompy ity na ho an’ny distrikan’i Moramanga izany na ho an’i Miandrivazo. Amin’ny alina rahateo izy no mivoaka.
Pati
Legende : Santionany tamin’ireo biby fiompy maty tany Miandrivazo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT