BIBY MPIHINAN’OMBY AO BRICKAVILLE

Efa nisy nahita, mitovy habe amin’ny alika, mena maso,…


  • Alarobia 21 Febroary 2024

Raha mbola samy vaky loha mamantatra ilay biby hafahafa mpihinana omby

any amin’ny distrikan’i Brickaville ny rehetra dia vehivavy iray antsoina hoe : Angeline monina any an-toerana no fantatra fa nahita maso izany tao amin’ny tananan’i Mahatsara. Mena ny mason’io biby io ary somary mainty ny volony raha araka ny fanazavany. Mitovy habe amin'ny alika ihany koa izy fa somary iva ary misaoty toy ny famindran'ny biby "kangourou"hoy hatrany Angeline. Nisambotra ny tongony io biby io, raha araka ny fanazavany ka voasaringotra ny lambahoany nentiny izay rovitra mihitsy. Vaky nandositra sy niantso vonjy i Angeline vokatr’izany. Namonjy azy ny zanany raha vao nahare ny antsoantsony saingy efa lasa ilay biby hoy hatrany izy. Mitohy ny fikarohana momba ity biby ity noho izany ary efa misy ny fandraisana andraikitra hataon’ny tompon’andraikitra.
Pati
Legende : Rovitra tahaka izao mihitsy ilay lambahoany nisaotian’ilay biby !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT