Actualités

Biby “Milles pattes” Karazany 7 vaovao hita teto Madagasikara


  • Zoma 13 Jona 2014

Tena faritra manankarena ara-javaboary tokoa i Madagasikara. Mahita zava-baovao hatrany ireo mpikaroka miasa eto amintsika.

Karazana biby maro tongora na «milles pattes» 7 vaovao no hitan’izy ireo. Ilay karazany antsoina hoe : «Sphaeromatidae» avokoa izy ireo izay mitovy habe amin’ny baolina fanaovana tenisy ambony latabatra na «ping pong». Tao anaty harambato any amin’ny ala maina sy feno tsilo any atsimo no nahitana ny iray antsoina hoe «Sphaeromimus andrahomana». Araka ny voalazan’ireo mpikaroka dia feno ala mikitroka io toerana io tany amin’ny 3000 taona lasa tany ka rehefa niharitra ny ala dia nitsoaka any anaty harambato izy ireo. Any Tôlagnaro kosa no fonenan’ny roa hafa. Anaty toerana kely dia kely ao amin’ny tendrombohitr’i Lavasoa no nahitana ny “Sphaeromimus lavasoa”. Toraka izany koa ny “Sphaeromimus sainteluce” izay monina ao Sainte Luce. Ahiana ho lany tamingana moa ireto farany noho ny fitrandrahana fasimainty ataon’ny QMM. Nilaza i Dr Thomas Wesener miasa ao amin’ny Musée Alexander Koenig any Bonn any Alemana fa tena ahiana ny haharipaka azy ireo raha tsy misy ny fepetra fanampiny ankoatra ny fiarovana ny faritra onenany

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT